<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>N. Rabenimanana</author>
<title>Miandry ao ny Tomponao FFPM302</title>
<lyrics>[V1]
 Miandry ao ny Tomponao,
 Samia manendry tena,
 Fa be ny asa izay hatao ;
 Atreho ny firenena !
 Topazy maso kely
 Ny ondry izay mania
 Ilay zandry lasa niala
 Ataovy hoe : modia.

[V2]
 Miandry ao ny namanao,
 Moa ve tsy hovonjena ?
 Hatòny re dia ilazao :
 Kristy no famonjena.
 Topazy maso ..sns.

[V3]
 Hevero e ! ny Nosinao
 Ity Madagasikara !
 Mba efa aiza izy izao
 Ara-Pilazantsara ?
 Topazy maso ..sns.</lyrics>
<hymn_number>302</hymn_number>
</song>